tech_surveillance270 wordsRead on Arc Codex

Profesora Ranaivoson Jeannot Fils : « Mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teny »

« Raha hitady asa, tsy ny teny malagasy no hitsapana ny fahaizan’ny olona iray nefa io no teny hain’ny olon-drehetra. Raha ny teny malagasy ihany no hay dia toy ny olona tsy mahay na inona na inona », hoy ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny profesora Ranaivoson Jeannot Fils, momba ilay tolo-dalàna nolaniana teny amin’ny Antenimierampirenena amin’ny hampiasana ny teny malagasy eny anivon’ny biraom-panjakana sy ny asam-panjakana. Nambarany fa anisan’ny mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teniny satria olom-bitsy ihany no mahay teny vahiny amin’izao fotoana izao. Izany no antony nahatonga azy ireo namolavola iny lalàna momba ny fampiasana ny teny malagasy iny. Teny vahiny efa mahazatra ihany no ampiasaina nefa indraindray tsy misy vahiny akory amin’ny toerana iray na fivoriana iray. Ilaina ny politikan’ny teny Nitondran’ity manampahaizana momba ny haiteny ity fanazavana fa ireo firenena mandroso dia tsy mba nampiasa tenin’olon-kafa hampandrosoana sy/na hitadiavana fandrosoana fa ny teniny ihany no nentin’ireo firenena ireo nampandroso ny fireneny (ohatra amin’izany i Japon, Chine, Corée, Finland, Danemark, Norvège…). Nampiasa teny vahiny hafa fotsiny izy ireo mba ho fifandraisana amin’ireo firenen-kafa. Marihina fa nisy ny resaka nivoaka taorian’ny fahalanian’iny lalàna iny. Tao ireo nisalasala sy nanontany hoe hiverina indray ve ny fanagasiana ? Tsy izany anefa fa ny fanomezana toerana ny teny malagasy eto Madagasikara no tena zava-dehibe. Ny teny malagasy sy ny teny frantsay izao no tenim-panjakana sy tenim-pirenena, araka ny nambarany. « Anisan’ny antony tsy mampandroso ny firenena izany. Misy zavatra tokony hovaina ihany eto Madagasikara. Ny fanjakana afaka manao lalàna momba ny teny, saingy tsy hita loatra ny fampiharana izany ao amin’ny lalàmpanorenana », hoy izy. Jean Claude

How it works

Once you click Generate, Ollama reads this article and crafts 5 comprehension questions. Your answers are graded against the article content — general knowledge won't be enough. Score 70+ to count toward your certificate.

Questions are cached — you'll always get the same 5 for this article.